|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 lafy valo |
| Singan-teny | 2lafy, 3valo |
| Sokajin-teny | 4 kambanteny |
| Fanazavàna teny malagasy |
[lafivalo]
5(a) ara-jeografia: ireo vazan-tany efatra sy ny efatra elanelany, dia ny avaratra, atsimo, atsinanana, andrefana, miampy ny avaratra-atsinanana, avaratra-andrefana, atsimo-atsinanana sy atsimo-andrefana.
6Ireo lafin-tany ara-jeografia ireo no mazana ampiasan' ny olona azy ankehitriny. 7Noheverin' ny ntaolo ho efa-joro mantsy ny tany ary samy misy ireo anarana efatra ireo koa ny firenena rehetra. 8Araka izany, ny hoe lafivalo dia milaza ny toerana rehetra eto Imerina (taloha) ary eto amin' ny Nosy manontolo (ankehitriny).. 9(b) Fa teto Imerina fahiny dia fiteny koa ara-pokontany, dia ny Tsimahafotsy (Ambohimanga), ny Mandiavato (Ambohidrabiby), ny Tsimiamboholahy (Ilafy), ny Vakiniadiana (Ambatomanga, Manjakandriana, Amoronkay), ny Vakinisisaony (Alasora), ny Ambodirano (Antsahadinta, Fenoarivo), ny Marovatana (Ambohidratrimo), ny Imamo (Arivonimamo).. 10(d) Indraindray dia nilazana ny ara-pirazanana ny hoe lafivalo, dia ny Andriana, ny Hova, ny Maintienindreny, ny Manendy, ny Manisotra (Ambohijoky), ny Vakinankaratra (Betsileo-Avaratra), ny Mpanompo (andevo) ary ny Zazamanga na Masombika avy any Afrika. 11Amin' ny tontaliny ny hoe lafivalo dia nilazana ny toerana rehetra sy ny vahoaka rehetra miara-mivory tsy an-kanavaka: Vory etoana ny lafivalo, koa dia .... [1.10#I.28] 12ilazana ny havana rehetra izay heverina fa niely eran' ny vazan-tany valo, dia ny avaratra, ny atsimo, ny andrefana ary ny atsinanana, sy ny elanelan' ireo avy. [1.1#519] |
| Fanazavàna teny frantsay |
13les huit castes de la province de l'Imerina.
[1.3#368] 14ensemble des parents. [1.54] |
| Voambolana | 15 Haitoetany: firenena, foko 16 Fifandraisana: fianakaviana |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12 |
|